FO VOAFONJA (NofenoinaNatiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
?FO VOAFONJA?

?Raha toa ny fitiavako ka farihy mangeniheny...
Dia iriko raha ny fitiavanao no ho tsara tondraka aminy
Raha toa ny fitiavako ka tohona tantely...
Dia iriko raha ny fitiavanao no hianoka ny maminy

?Raha toa ny fitiavanao ka hazo fihinam-boa...
Dia iriko raha ny fitiavako no hioty sy hankafy
Raha toa ny fitiavanao mitady zotra anaty fo...
Dia iriko raha ny fitiavako no hanoro lalana fitia

❤️Satria ny fitiavantsika raha tombanana
Sy vinaniana ny hatsarany
Dia toa volam-penomana
Ka 'reo farihy sy natiora lavitr'isa
No manoina ny tarany

?Hay moa ka nofy izany
F'isika tsy maniry intsony
F'efa iray fatoran-tady
Amin'ny fijery iray monja
Ka hiara-hampiakatra taham-pitia ho ambony
Na aza fitia anaty fo voafonja

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
12 JONA 2025
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
8 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112