INY VADIKO INY (NofenoinaNatiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY VADIKO INY

Iny vadiko iny
Ilay tsy mba mitsitsy teny mamy atolotra ahy,
Iny vadiko iny
Ilay atsasaky ny saiko, itokiako raha manahy

Iny vadiko iny
Ilay milaza foana foana hoe "tena tiako ianao"
Iny vadiko iny
Ilay manara-dia an-tsaiko am'zay rehetra atao

Iny vadiko iny
Tsy mba mamela ahy ho tezitra ela izany,
Fa iny vadiko iny
Ilay manao 'zay hampilamina ny adinay hatrany

Dia iny vadiko iny
Ilay miaritra harerahana hahasoa ny fiainanay,
Iny vadiko iny
Ilay hahatsapan'ny zanakay hoe tena manan-dRay

iny vadiko iny
Ilay tokana mahazaka an'ireo kilema toetrako,
Mbola iny vadiko iny
Ilay mitia ahy foana amin'ny endrika sy paozy rehetra rehetrako
(na ratsy izay na tsara)

Saingy koa,
Izaho vadiny ihany
No ihany koa mahazaka ireo kileman-toetrany,
Ary izaho vadiny ihany
Ilay mahavita mitaty ny ratraratra alefany

Izaho vadiny ihany
Ilay mikarakara sy manome fitia azy tsy tambazan-tsarany,
Ary izaho Ilay vady tiany
Mampitsimoka aina mitondra ny taranany...

Izahay mivady
Ilay mampitombo ny fitia ho onitr'ireo adiady
Izahay mivady
Mahavadi-bainga satria tanana sy angady.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
24 Febroary 2026
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
217 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hevitra mandeha
Azrael666 ( 09/03/2026 11:51)
Izahay mivady: mahafotsy raha mitoto,
Fa laona sy fanoto...
hery ( 09/03/2026 15:37)
Azrael666> :-D
ikalamako ( 09/03/2026 20:31)
nihahaha, letia e, raha mba kalma ary i Azrael666
Azrael666 ( 12/03/2026 11:06)
Hihi... Hery! mba mitsikitsiky kely ndraindray. Ikalamako! Kalma tsika fa mba inspiraka niserana iny...
Azrael666 ( 12/03/2026 11:09)
Merci an'i Nofenoina Natiora Nitsimoka, fa mba samy namoaka kely ny "tsiambararoa" madinidinikany daholo "izahay mivady".
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.531