FITIA RESIN'NY FINAMANANA (NofenoinaNatiora)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA❤️RESIN'NY FINAMANANA?✍️Navonako ho amboaran-tononkalo
'Zay lasantsika 'zay
Tsy nifanaraka ho mpinanamana
Kanefa tafaray
Maro sampantsampam-piainana
Niaraha-nianjoria
Nisy koa fisainana,
Te ho mifankatia
Fa resim-pinamanana
nahery vaika loatra
Ka nihena an-dalana
ILay fitia nitroatra
N'y antsika manan-danja indrindra
Raha samy finamanana
Ny fiainantsika lasa nifangia
Ka andao 'zany hotanana
Na aza 'ndraindray
Mitsipalotra fitia.
Ialahy moa namako ô...
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
06 Jona 2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Finamanana - Fitiavana
Hevitra mandeha
ZavonaRakoto
(
30/01/2026 07:45)
Ndraindray mitsipalotra fitia
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : NofenoinaNatioraNampiditra : NofenoinaNatiora
Daty : 29/01/2026 14:35
