Ampidiro aloha ny tenimiafina
IRAY FARIBOLANA (NofenoinaNatiora)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRAY FARIBOLANA ♥️♥️Nohaingan'ny ainga
Nisy tam-panahy
Dia indro tafahaona
Tojo teboka iray
♥️Teboky ny teny
Nitambatra tan-tsaina
Niloaka teo imolotra
Ka lasa sora-miaina
♥️Nampifandray 'reo tanana
Navezivezin-tsoratra
Dia io rafinamanana
Tsy niahotra niantoraka
♥️Dia indreto eny isika
Anaty faribolana
Hanandran-teny
Hiara-hamita
Ny tanjona hisalorana
♥️Isika toy ny teny maro
Fa rehefa tafatambatra
Dia lasa amboaran-tononkalo
Sy soratra miara-misandratra .
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
16 MARS 2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : NofenoinaNatioraNampiditra : NofenoinaNatiora
Daty : 29/01/2026 14:15
