VALIN'NY TONONKALON'I ZAVONA RAKOTO (NofenoinaNatiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valin'ny tononkalon'i Zavona Rakoto(TSAPATSAPA)

?Niditra hotely aho indray hariva izay,
Feno olona avokoa ireo toerana tanatiny
Afatsy seza Kely anakiray
(sahaza olon-droa)
Vao nidify angamba 'zay nisakafo teo aloha

?Teo am-piandrasana ny mpanolotra sakafo
No tsikarotro fa nisy peratra tambonin'ny latabatra
Tena tsara tefy sy novidiana lafo
Angamba an'ireo olona nisakafo teo

?Nony andeha aho dia nomeko ny tompona hotely
Fa tsy maintsy hiverina eo 'zay tompony any ho any
Dia lasa aho ary rehefa nidify kelikely,
Dia indro tovolahy iray sempotra aok'zany,

?Nisaotra ombieny ombieny,nijery tamim-pitsikiana
Niverina aho izy fa hadino ity peratra
mbola hanohizako hitadiavana olon-tiana,
Dia nolazain'lay tompona hotely fa
tovovavy iray miakanjo menamena vao nisakafo teo
No nanatitra ity peratra nisy nanadino

❤️Ka mino aho fa ianao 'zany tovovavy izany
Mino aho fa ianao Ilay nandrasako fitia,
hotolorana azy ity amin'ny andro androany
Ka etsy ange hoy izy ny ratsan-tananao havia(...)

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
17 Octobra 2025
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
13 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0153