VELOMA NAMPIRAY (NofenoinaNatiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELOMA NAMPIRAY ❤️

(...)Indray takariva aho sendra nandeha irery
Nahita anao nivimbim-boninkazo mavokely
S'y tanam-bokovoko miloko maintimainty
Tsy tazanao akory aho,nanjohy anao akaiky

?Dia nitampify tao ambadiky ny fasana tao
Ka reko avokoa ireo rediredinao
Latsa-dranomaso aho,dibok'hafaliana indray
Nahare fa hay koa ianao TIA AHY

?Avy eo nanampina ny masonao moramora
Noheverinao fa ny aveloko tonga
namaly fa nantsoina
Tsy maninona fa azonao tsongoina

?Teo amorom-pahafatesana Aho
Tanatin'ny alahelo fatratra
Raha namela 'lay hafatra
Natokana ho anao

?Tokoa, noheverinao fa efa lasana
Ka nataonao veloma farany
Teo an-doham-pasana
Nifaningom-paka ny fontsika samy tia
Ka nisintona ny aiko,mbola hirihariha.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

05 JONA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
11 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012