IREO RAY AMAN-DRENY (Np Augustin)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Dada sy Neny mifankatia tsara,Ianao 'lay nateràny ho dimby sy fara.
Tsy voafafa ao an-tsainy;
Fa silaky ny ainy!
Miainga maraina mandeha mikarama...
Sedrainy avokoa na lalà-malama.
Na dia marary dia lasa ihany...
Fitiavan-janaka no anton'izany!
Ary ho avy ny andro ianao hanambady:
Tanora matotra ,mahay mitady...
Mahalala tsara ny lalàn-kombana;
Kanefa aza mitsipaka laka-nitana.
Ireo Ray aman-dreny anehoy fahendrena,
Omeo azy 'lay valim-babena!
Ny hany ianteherana mantsy dia ianao...
Antitra izy ka mba karakarao!
01/09/17
Tamin'ny 12 ora atoandro
--------
Rohy:
Mpakafy:
NpAugust1
