KALOKALO MIAMPITA (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Afo miredàredà tsy mba mety ho faty,Mitoetra irery... Mifikitra ao anaty.
Ny andro miràmiràna;
Ny fo mangiragiràna.
Hafaliana tsy ihodivirana... Mbamin'ny kalokalo,
No ventsoko mangina rehefa ianao mandalo!
'Lay vatanao rehetra tsy misy tsy voajery;
Ny lalanao mandeha efa laniko tsianjery.
Diavolana ny saina,
Velombelona ny aina!
Fa fitiavana tsy ritra:
Mitombo isa-minitra.
No indro tsara toetra,
Ao amin'ny fiainako rehetra!
Tsara fototra izany... Tsy mety ho voafafà;
Fa tiako foana ianao na dia efa an'olon-kafa!
01/08/17
Tamin'ny 2 ora tolak'andro
--------
Lien:
Fans:
NpAugust1
