Ampidiro aloha ny tenimiafina
NENY (Np Augustin)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ahy ny reniko, tsy ampijaliana,Fa ampiadanina sy ampifaliana :
Angolangolaina amin'ny fihetsika tony,
Mantsy raha kotabaina, maharary ny fony.
Dia ny anatra omeny,
Tsy avelako ho very,
Fa tadidiako sy mbola tsaroako;
Satria izy ilay reny tsy foiko :
Mpanoro làlana sy mpanazava,
Mpitsimbina ny aiko lalandava.
Ny anton' izany,
Averiko ihany :
Ny ahy ny reniko, tsy ampijaliana,
Fa ampiadanina sy ampifaliana.
23/05/18
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina
Mpakafy:
NpAugust1
