RAY (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Arahaba ho an'ireo Dada voafatotry ny onja,Mahatsapà fijaliana... Mitoetra ao am-ponja.
Tsy navela heloka na nohenoina fifonana...
Mitokana irery fa tsy anilàn'ny ankohonana!
Eny na dia misy aza anie izany,
Dia tsaroako ianao... Tsaroako hatrany.
Fetinao anio... Ka dia arahabaina:
Tiako ho'aho i Dada... Hoy 'lay sombin'ny aina!
Arahaba koa hoan'ireo Dada ao ambony,
Lasa nodimandry... Tsy ety an-tany intsony.
'Lay endriny fahiny toa tsy afaka ato an-tsaiko...
Tsy mba mety maty fa tadidiko ny raiko!
Ô... Ny zaridainànao tsy havelako halazo;
Fa ho avy izaho re mba hanati-boninkazo.
Satria fetinao anio... Ka dia arahabaina:
Tiako ho'aho i Dada... Hoy 'lay sombin'ny aina!
14/06/17
Tamin'ny 6 ora hariva
--------
Lien:
Fans:
NpAugust1
