REHEFA MANAMBADY (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa any aoriana... Rehefa manambady,
Dia fadio lesy ny mamono vady.
Hajao tsara... Anehoy fahendrena;
Aza vonoina izy fa mahonena!
Ny zavatra atao mba asio vinàvinà,
F'ireny anie tsy hamaly n'oviana n'oviana.
Na dia ho tratran'ny vono mahery:
Dia efiàny manokana ho azy irery!


Ny fampirafesana koa tena fadio;
Zava-poana izany izay tadidio.
'Lay fifankatiavana no ataovy mafonja,
Hisendrana an'izato fakam-panahy manonja!
Ary ny famonoam-bady mampihetsim-po:
Ataovy fady fa tsy mahasoa.
Ny filàna koa ekeko fa mafy,
Nefa na dia izany: aza mampirafy!

24/07/17
Tamin'ny 2 ora sy sasany
--------
Lien:
386 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115