SANGISANGIM-PITIA (Np Augustin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba izaho akia no Hery vaovao,
Filoham-pirenena amin'izao andro izao.
Dia ianao nataoko hoe "Voahangy" :
Vady an-defimandry!
Miaraka eny foana...
Na ora na fotoana.
Tena ampiadaniko, tsy avelako hitsitsy;
Ampanjairiko ho anao itsy mananasy itsy!


Raha mba izaho indray akia no Ravalo:
Dia hilamina ny tany ,ho foana ny dahalo.
Ny tranontsika roa tena mahatamana...
Ianao koa etsy lany ben'ny tànàna.
Ary tena mibaribary tsy misy honohono;
Fa mifandom-bera isika no misotro ronono!


Na Lalao na Voahangy:
Dia samy sangisangy.
Fa ny tiako ambara;
Dia tiako ianao malalà!

20/09/17
Tamin'ny 3 ora tolak'andro
--------
Rohy:
325 1
Mpakafy: NpAugust1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Np Augustin
Nampiditra : NpAugust1
Daty : 30/06/2025 12:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0144