SARINDRA (Np Augustin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voalohany nahitako anao dia teny Isotry ,
Nividy tatinono sy silipo fotsifotsy .
Niady varotra ela be ianao tamin' izay ;
Hoe: " mba ataovy dimanjato ny anankiray ! "
Ilay mpivarotra anefa tsy nanaiky mihitsy koa ,
Roa arivo hoy izy raha hoalainao izy roa.
Nefa angamba ny volanao tsy ampy an'izany ,
Dia naleonao nody no sady nitomany.
Tsy zakako anefa ny nahita anao nampalahelo ;
Ka indro ho'aho ny telo arivo dia mividianà anankitelo.

Akory avy eo ny hafalianao,
Nony nahazo tatinono sy silipo telo be izao.

Dia izany sy izany ,
No nahitako an' i Sarindra voalohany,
Angamba mety efa azokazonao ny tohiny.
Fa lasa mpifankatia izahay roa kely,
Tsy mba mifanary velively,
Na amin'ny tsara na amin'ny ratsy.
Ary efa hoatao raharaha atsy ho atsy.


24/09/18
--------
Rohy:
164 1
Mpakafy: NpAugust1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Np Augustin
Nampiditra : NpAugust1
Daty : 30/06/2025 11:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118