TENY BEHORIRIKA (Np Augustin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omaly atoandro teo,
No iny izaho zareo,
Niditra tanaty tranom-barotra;
Ka tao aho no nahatsikaritra,
Zavatra hafa mihitsy:
Fa itsy alavitra itsy:
Misy tovovavy,

Tsy haiko hoe: nahoana,
Fa mibanjina ahy foana.
Mandinika diso tafahoatra...
Angamba izy tara, fa izaho bogosy loatra.

Dia teo no eo aho dia velom-pitsikiana,
Ela ny ela lesy fa hanan'olon-tiana.
Mety ny foko mantsy no iriany ho anjarany,
Ka avy eo dia nihazakazaka aho mba handray ny tanany...

Nefa akory ny hatairako, saika latsaka ny aiko,
Hay ka sari-vongana ity mba nantenaiko!


09/01/18
Tamin'ny 7 ora maraina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
160 1
Mpakafy: NpAugust1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Np Augustin
Nampiditra : NpAugust1
Daty : 30/06/2025 11:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0162