TOLOKON'NY FITIAVANA (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ve efa tratran'ilay mitia mangina ?
Ilay minia tsy miteny nefa manam-paniriana;
Ny mba horaisiny ho malàlàny,
Saingy izy anefa efa manana ny anjarany.
Efa olon-kafa no manjaka anaty fony,
Ka mazava ho azy fa tsy hitia hafa intsony.

Ary ianao ve efa tratran'ny fitaka sy lainga?
Ilay mody omeny toky mba tsy ho afaka hanainga,
Fa mba ho tamana eo anilany eo ihany...
Nefa izy any ambadika any,
Miezaka mikipy sy miezaka mamafa...
Ka misary adala amin'ny olon-kafa.

Ary farany,
Ianao ve efa tratran'ilay tsakoina dia arina ?
Ilay rotsirotsiany mba ho eo am-pandriana ;
Ka vidiany akanjo, kiraro sy firavaka....
Nefa rehefa avy nidirany ilay lavaka,
Dia iny ianao fa tsy rarahiany,
Sarahany amin'izay fa manomboka tsy tiany.

Ka izany re ny fitiavana :
Misy fifaliana,
Dia misy fijaliana.
Misy fo mandratra,
Dia misy fo maratra.


04/04/18
Tamin'ny 10 ora maraina
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
253 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0149