VETSO (Np Augustin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny ah!
Aza dia mitomany manao toy izao,
Fa i Dada anie efa tsy tia anao!
Nitsoaka adidy... Lasa dia nandao;
Nanorina tokantrano vaovao.

Ka etsy moa ry Neny ah!
Iangaviako ianao ho tony...
Raha Dada 'zany tsy hiverina intsony.
Ny ho avy jerena... Avalonÿ ny efa vita,
Hadinoy izy fa nampijaly antsika!


Inoàko ianao mahatsiaro fa mody tsy miteny:
Manembonembona an'ilay peratra nomeny.
Tsy mety ho voafàfa ireo andro sy fotoana...
Nefa izao ny sitrà-pony fa hatao ahoana.
Dia atrakao ny loha... Izaho eto ihany;
Aza malahelo... Aza mitomany!
Na tsy eo aza 'lay mba hitarainana,
Dia hiaraka isika hisedra izato fiainana!

14/08/17
Tamin'ny 3 ora tolak'andro
--------
Rohy:
278 1
Mpakafy: NpAugust1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Np Augustin
Nampiditra : NpAugust1
Daty : 30/06/2025 12:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0109