NIOVA ILAY FITIA ! (Ntsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niova tapoka teo
‘Lay dinan’ny fitiavanay
Nasinao fetra ka hatreto
Dia hoy ianao hoe: “Aok’izay”

Tsapako fa tena mafy
Ny hamoy ilay fitia
Hatao ahoana fa hihafy
Hamoifo dia sanatria

Ekeko aloha fa tsy anjara
Ny fiarahantsika roa
Aleo hivalona ho tantara
Fa lasa mankarary fo

Tsarovy koa anefa izao
Fa ny namononao ny anarako
Dia tsy hamoizako anao
Fa miandry foana ny fitiavako

Ntsoa (03/03/14)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana - Fitiavana
1285 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ntsoa
Nampiditra : dooox
Daty : 15/03/2014 19:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014