(ny andry)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra ianao nahay namboly vonin-kazoTeo an-jaridaina lonaka
Ka manana ho jerena ,handresenaireo hetraketrakin'ny mpisopatra
Isa-maraina vao mifoha.
Fa ny anay sy ireo mahantra maro
tsy mba manana ny masoandro
Mba hanazava ny tontolo
Feno jaly ,fijaliana
Isan'andro vaky izay;
eh!
raha izao hono ny masoandro no zaraina
Ka tsy hisy ambony sy ambany
Fa samy hanan avokoa ny zavamanan'aina
dia ho sambatra ny tany.
--------
Rohy: