KAMBOTY Ho anao ry namako (Ny Tiasolo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KAMBOTY
Ho anao ry namako
Izay mamaky ity mba vitako
Ity no soratanako
Hamaritako ny vintako.
Izaho fony mbola zaza
Tsy nahatsapa fa nijaly
Fa misakafo izay sahaza
Rehefa fety dia mifaly.
Mangatsiaka dia mitafy
Misakafo koa raha noana
Tsy mba niafiafy
Ka tomady teny foana.
Mbola teo mantsy i dada
Nanao izay ahitana
Tsy mba nisy tabataba
Ilay ankany mahatamana.
Fa anketriny kosa
Dia KAMBOTY izany tena
Ka faly ny mifosa
Ireo hava-be harena.
Faly mankahala
Mamendrofendro fo
Mihevitra ahy ho adala
Ka mandrara anay roa.
Fa 'zaho dia bandy kely
TSY KITAY TSY VARY MAINA
Raha tompazan-dray mijery
Dia tsy misy hantenaina.
Ka ambaniana sy haratsiana
Ankalaina sy hakiviana
Kanefa nanana olon-tiana
Ary nanam-paniriana.
Ilay KAMBOTY hanambady
Izay tsy manan-kantenaina
Tsy hisambotra aho tsy hitady
Sanatria raha hitaraina.
Marina fa havako
Nefa tsy azoko hianteherana
Fa mandrara ilay fitiavako
Omban-teny tsy ampiheverana.
Izaho moa KAMBOTY
Ka raha sendra mitaraina
Dia angamba hoe varoty
Izay tany karakaina.

Leny Kely.
--------
Rohy:
1326 0
Hevitra mandeha
Ny Tiasolo ( 21/08/2018 13:05)
Fa rehefa hoe manan-karena ve dia mankahala ny kamboty, ary manenjika sy mankahala ka tsy menatra milaza fa: " INONA IZAY INY,TSY KITAY TSY VARY MAINA, TSY ASA TSINONTSINONA,VAO TEO NIALA NIANATRA".Dia rarĂ na mafy ilay zaza izay tsy naloaky ny kibo na nanasatra azy akory,nefa dia lazaina fa:" HOATRY NY OLONA ADALA SY VOAOZONA MANAMBADY AHY". hmhmhmhm. tsy ho voatantara fa lava dia lava...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Tiasolo
Nampiditra : Ny Tiasolo
Daty : 21/08/2018 12:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133