Papango sy domoina hoe ? (Papango )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Papango sy domoina hoe ?

"Papango", hoy ianao nilaza sy nitorotoroka ahy?
'ngah tsy hay hoe tsy sahaza raha nanorokoroka ahy ?
Ny maso ve nitampina ka tsy nahita ny tsy nety
Sa izao aho vao sampona ka mahate higety ?

"Domoina", hoy ianao sodoka sy nidera tena
Fa taiza no nifoka sa koa efa jambena?
Tsara ianao, ekeko, amin'ny endrika amam-bika
Fa ny toetra raha jereko, moa mampitsiriritra?

Ny hoe ange domoina ka tsara fo sy fanahy
Ka aza mbola ihamboana raha mahavita miahiahy
Mahavita manaratsy sady koa manasoketa
Ny domoina ho'aho tsy manan-toetra vetaveta.

Izaho raha no papango dia ianao akohokely
Moa raha tafakatra avo dia ho afa-maina velively ?
Ianao raha votsotra eto dia mety hanao ahoana?
Angamba sentosento no hitohy an-taranoana.

Ny hoe ange "Domoina" tsy mba endrika amam-bika
Fa toetra tsara foana miampy endrika sariaka
Tsy mba mihatsaravelatsihy fa hendry sy malemy paika.
Fa raha toa ianao tsy tia, ny mandoka tena aza maika.

Papango 06/06/26
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
27 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Papango
Inséré par : Mikoriana
Date : 07/06/2026 00:07
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126