ADIDY TSY VITA (Ravo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adidy tsy vita

Gasikara o! tany mena…
Mijery anao aho dia onena
te hanova anao ho Edena,
Te hitroatra hanova zavatra,
ka izany no hampitana hafatra.

izao no adidiko, mba efa:
hijoro amin’ny maha poeta
hampahatsiahy sy hampianatra
fa ianao dia tanin’ny fihavanana,
tanim-pady alatsa-drà
ka ireo izay rehetra sahy
mba handika an’izany,
modia ho vovoka ho tany!

Gasikara o! tany mena…
Mijery anao aho dia onena
satria tsy azoko ekena
ny hampihoson-drà anao...
ny hanao anao toa kilalao...


Ravo na André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Rohy:
163 1
Mpakafy: TosakaMg
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravo
Nampiditra : TosakaMg
Daty : 14/10/2025 07:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0133