Ampidiro aloha ny tenimiafina
TE HO TAFA (Ravo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te ho tafa...Par Ravo
Raha malama volo tsy mahatàna randrana,
Aza manery ny rasta andeha hihogo;
Raha toa ka sola na koa tsy afaka hiharatra,
Aza ny hafa no terena mba hanapaka volo.
Raha tsy hahalai-tsakotsako satria bangaridana,
Aza mandrisika ny hafa andeha hinono ;
Raha zatra ny imorona ka tia miboridana,
Aza tia savasava izay tsara fono.
Aza biby ao an-davaka no karokarohina,
Fa raha mora no ao no tsy haninona anao,
Ka ny biby hitanao ao an-trano kapohina.
Aza mianinana amin’ireo any an-kafa,
Fa mandehana mikotrana aloha dieny izao :
Izay ihany no fika raha toa te ho tafa.
RAVO (André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO)
--------
Rohy:
Mpakafy:
TosakaMg
