Ny fanantenana (Régis Rajemisa-Raolison)

Nantsain'i jantina
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy mitady ny tena hafaliana
Tsy azon'ny ratsy akoro, ravana,
Dia tokana monja no azo valiana:
Ny fanantenana!

Ny fanantenana no afon'ampombo
Midonaka lava ao anatin'ny fo;
Raha sendra ny rivotra, mainka mitombo,
Vao mainka mitombo raha misy manjo.

Ny fanantenana no manampy antsika
Hizaka ny mafy, tsy am-po mitoreo
F'ao aorianan'ny orana ny andro baliaka
Tsy maintsy ho tonga ka mbola hiseho.

Ny fanantenana no soa sarobidy,
Satria tsy mba aiza fa ao anatin'ny tena:
Ny saina no amboarina asaina mifidy
Na hilofika hatrany na mbola hanantena!

Ny fanantenana no maha olona ahy;
Ny biby voafetran'ny eto sy anio,
Ny olona kosa mitsinjo,manahy:
Ny fanantenana no mahatonga an'io.

Ny fanantenana no 'lay saro-bonoina
Misisika lava, tsy mino fa maty
Rah'tsy avy mandevina tsy manank'antsoina:
Ny fanantenana no kiry ao anaty!

Ny fanantenana no mampisy vidiny
Ny fiainana etoana 'zay fefik'indrisy:
Raha toa tsisy setriny moa 'zany ngidiny,
Tsy aleo ve tsy ary, aleo ho tsy nisy?

Ny fanantenana no tanjon'ny fo
Mavesatra lava sy tra-pahoriana:
Na inona mantsy no loza manjo,
Ho avy ny andro tsy maintsy hodiana!

Ny fanantenana no 'lay varavarana
Vohaina tsy tapaka isan'andro hatrany,
Hiandrasana lava ny fahasambarana,
Sao dia mba tonga mitsidika ihany!

Raha misy mitady ny tena hafaliana
Tsy azon'ny ratsy akoro, ravana,
Dia tokana monja no azo valiana:
Ny fanantenana!
--------
Rohy:
572 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Régis Rajemisa-Raolison
Nampiditra : jantina
Daty : 11/05/2023 17:46
Antsantononkalo
Nantsain'i jantina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014