Faran'ny Noely (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy fiderana manakatra ny lanitra
Na koa amboaram-peo mihiaka famonjena
Fa hanjaka adisaina, leon’ny miharitra
Milaotra am-poko ao, mingosy faharesena

Tsy misy koa ny vavaka afaka asandratra
Na hira ho ventesina maneho fa fety anio
Fa babonao anaty lasana lay androko filamatra
Mikomy handevina ahy ho rembin’ny malio

Tsy misy sampan-kazo voaravaka reo jiro
Na koa vatomamy sy fitafy vaovao
Fa vatana sy saina efa ts'isy ilo
Mirantina hamefy, handevina’ahy hankao

Tsy misy fifaliana sy hanim-pito loha
Na dona verakely hoe tratry ny noely
Fa jaly sy alahelo no indreo mifanongo
Mandodona handroaka ny aiko mihakely

Tsy misy lay Noely, lay andro fanantena
Na sombin-tsiky kely ho solika fitaiza
Fa valaka sy mihena lay kitan’ny maraina
Ambetinteniko eny ny hoe :” Resy ka ho aiza?”
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Alahelo
1577 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : Rhad
Daty : 04/12/2012 16:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098