MAHAIZA MIHONONA (RN.alpha)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAIZA MIONONA

Aza maikamaika ny hitia ianao ry foko,
Aza ianao matahotra ny mety ho lany zara.
Meteza mba hionona, fandrao handrian'ny loto,
Etsy mitonia ianao sy koa tomoera tsara.

Tsy zakanao ny donan'ny fitia vao miala sakana,
Fa basy feno bala sy sabatra efa vonona;
Ka dieny mbola tsisy vonimboniny mamakana,
Dia tsara ianao mitony, mahaiza aloha mionona.

Io fitiavana io mantsy mira fahafatesana.
Tsy afaka miala intsony izay tafiditra ao.
Ka aza intsony maika, fa efa amoron-tevana
Ny tongotrao hamindra, ahemory dieny izao.

Sahia ianao ry foko ny handà sy tsy hanao.
Ataovy tena fady raha ny resaka fitia.
Ny hoaviko mamiratra no andeha izao katsaho;
Fianarana ilofosy, f' io no lova tsara ety.

RN Alpha
--------
Rohy:
64 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RN.alpha
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 24/09/2024 20:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134