MBOLA HAFA KELY (RN.alpha)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA HAFA KELY

Mbola hafa kely foana ho'aho 'lay raozy maintsoko iny.
Mbola tena miavaka amin'ny eny an-jaridaina,
Manoatra noho ny hafa mantsy raha ny fiafiany
Saingy mbola ravoravo foana, fady malaindaina.

Ilay reharehako iny? Tena mbola hafa kely
Tsy malazo am-pahavaratra, tsy mihitsana ririnina,
Ilay akantony iny mbola any tsy mba very,
Ary ozonona tsy taitra, tsy maninon'tsy maninona.

Tsy toy ireo raozy sasany fa miavaka iny ny ahy,
Vony tsara notsongaiko tao anaty alinalina,
Kanto sy mamiratra ary tena soa fanahy
Tsara tondratena, mailomailo sady malina.

Ilay nodokaiko fatratra fa tena hafa kely
Dia izy foana no any fa tsy misy fihovana.
Izy ilay mba tiako dia niely laza teny
Mbola izy izao no tiana sy koa fanantenana.

RN ALPHA
2 sept 2024, Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
44 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RN.alpha
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 29/09/2024 09:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138