TAKONA (RN.alpha)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAKONA

Moa tsy ianao ihany va ilay fatram-pifidianana
Manavaka saranga sy mifidifidy namana?

Mizaha tavan'olona ho tiavina sy ekena
Ka raha vao mahita vola dia atolotra ny tena.

Mpanavakavan-doko sy mifidy fiodirana
Ary koa mpanilikilika ireo havana sahirana.

Saingy... teny ianao nitia, tany ianao voadona
Fa voailiky ny mpanana avo lenta be galona

Niaiky ho tena resy, nitolofoka amin'ny tany
F'inimbetsaka voafitaka, tomany dia tomany,,

Noraisinao ny penina, anindriana taratasy
Navoakanao gazety, dia nihely hatrany andafy

Fa....
tsy misy tokam-po intsony izao ireo zatovo
F'efa tapitra mpanitsaka sy koa mpamaky vovo.

Mataon-dahatsoratra amin'ny diapeninao
Fa tsisy 'zay tsy mampirafy raha ny lehilahy amin'izao.

Dia vitanao nalaza izay ianao vao nety nionona,
F'hatramin'i pasitera, ry mopera tao voatonona

Fa samy mampirafy, sy mpanitsakitsa-bady
Dia....
nasaina hoany an-danitra ireo hafa izay mitady...

Hein!
Tsy vitsy mantsy ny eto manan-tsaina toa anao.
Nanampy nanatevina hampihely ilay vaovao.

Ianao nitady piso sendra tojo kary tany
Dia ny saka tsara taiza no aratsiana oatr'izany?

Ianao no te hifidy ny avo lenta sy ny raitra
Ka ny tsotra nefa tsara no lazainao tsy mandaitra?

Dia....
Ireo nahilikao sy tsy nasianao maso akory,
Tsy mba noraraina na dia nihezaka nitory,

Tsy nasianao tombam-bidy
Na ireny no mamiratra sy tena saro-bidy

Fa ny olona aminao dia ireo avo saranga
Na dia betsaka sy maro ireo izay tena olo-manga.

Fa saingy moa indrisy
Nolavinao ireny, nokajiana toa tsy nisy.

F'ilay mba laninao no efa hitanao tsy tsara
Dia natao indray mandraoka ny rehetra hoe adala.

Avao ihany aloha fa mbola betsaka any hoany
Ireo izay tena hendry, mbola tokam-po hatrany.

Eny ianao mpitetitety, sangy aza be fitsara
F'efa be ireo nahilikao sy tsy vajery tsara,

Misy hendry, tokam-po, sy mahafeno fepetra
Fa mahantra tsy be teny ka tsy hitan'ny rehetra.

RN ALPHA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
49 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RN.alpha
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 29/09/2024 09:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146