TSY HO NOFY (RN.alpha)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HO NOFY

Mbola tsy migadoana eny ambony kianja akory
Dia mitono-tena ho resy sy efa lavo izato ianao,
Ambeti-teninao ny hoe nateraka ho hory
Sy efa lahatra sy anjara, ka tsy misy azo atao.

Dia resy tsy mba miady
Sy manolo-tena ho babo,
Dia manangan-tsaina fotsy, fiforetana sahady,
Manambany tena ho bado.

Dia ao an-tsaina sisa no mamorom-piadanana
Ao anaty nofy atoandro, sy ny revirevin-gadra
Dia any ianao no ambony sy manoatra irony mpanana,
Raha avy nitoloko, sy efa teo nidradradradra.

Anananao ny tanjona ambony dia ambony
Saingy ajanonao ho nofinofy fotsiny eny ihany,
Toa mba be saina ihany fa tsy mety mino intsony
Ny holavim-pahantrana sy ho tafa indray andro any.

Atongilano tsara anio ny sofinao handre
Fa mety atao tanteraka ireo nofinofinao.
Raha toa ianao hiezaka sy vonona ny handeha
,vonona ny handresy ka ndehana tanterao.

Aza miandry ny hafa hanolon-tanana, hanampy
Na mijery manodidina maneso sy mandrara,
De aza mitavandra na miantehatra amin'ny sampy,
Fa ny tanja-tsaina ihany no fiaro tena tsara.

Tsy ho nofy fotsiny ihany ireo kinasanao rehetra,
Na ho revirevin-gadra, ireo izay hany faniriana
F'ilay mihezaka tsy kivy no tinaky ho tena toetra,
De ho tapo-piadanana ny valim-piahafiana.

RN ALPHA.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
68 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RN.alpha
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 24/09/2024 21:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017