ANDRIAMANITRA IRERY DIA AMPY (RODER)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRIAMANITRA IRERY DIA AMPYAndriamanitra irery dia ampy
Na tsy eo ianao hanampy
Matoky ny fitiavany aho
Fa tsy mitoky amin`olona toa ahy.
Mendrika sy rariny tokoa
Ny midera sy manompo azy
Ka ananako finoana
Ny hananako ny hoavy.
Tsy olona toa ahy no ekeKO
Na koa hitoky na hifefeko
Fa Andriamanitra irery dia ampy
Ho ahy fa tsy mila mpanampy.
Mamitaka ianao io
Diniho ary Eva tadidio
Fototry ny ratsy sy ny sampy
Ho ahy Andriamanitra irery dia ampy.
Ianao tsara tarehy
Fa tsy hitako ny fanahy
Ka na hotsiloviko lampy
Dia tsy ho hitako
Ho ahy Andriamanitra irery dia ampy.
13 Febroary 2025 (RODER)
--------
Rohy:
