Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ry taniko (taratriniaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any hianao ry tanikoAny ambadiky ny takona
Any ankoatr'ireo havoana
Ka toa lavitry ny tenako
Na dia izany aza e
DIa ao an'eritreritro ao
Ato am-poko lalandava
Ireo kanto izay raketinao
Ary koa antenaiko
Fa na ho ela na ho haingana
Ireo sary an'eritreritro
Sy ireo vetsovetsom-poko
Dia ho tanteraka tokoa ,
miandrandra ilay fihaonana
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Mpakafy:
ratoto