Aza kivy (Tsiky Andrian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa to tsy tao ampoko sy tsy aiko takarina izay zava drehetra miseo.
Fa to feo amborina sy rivotra malefaka sisa no reko mitoreo
Mandefa feo malefaka sady mitaraina mafy
Hoe...
Mbola ho avotra ve ny tontoloko sa ho potika nohon'ny gafy
Noho ny gafy sy ny etraketrakiny ny tsy matao tody,
ka nefa izao no tsarovy dia mievera fa aza manody
To tsy mba tsapanao akory ny irifiry ny fitarainako
Fa to mbola fandanjana miapy ozona aza no azoko sy iainako
E,tsarovy fa misy farany raha ny zavatra atao!
Fa ny Andriamanitra tsy andriny,mbola andriko hatramin'izao.

Ra iny aho misento mandinika ny zava misy
Ianao to lasa saina ,manotany tena hoe ,fa aizan'ny Tsiky
Fa nga? very fanahy no to toravana sy maloka
Ka nefa aza atao mahagaga anao fa ny fiainana mihasarotra
Dia izany no mahatonga ana tsy nahenona feo.
Satry mandinika ny zava misy no lasa saina mitoreo.
Lasa saina mitoreo no sady manala sorisory
Ny sorisory mapahory izay tsy nahitana tory.
Fa to malasa saina ka malasa ny vinany
Ny vinany lasa lavitra any andafy tsy tazako any.
Any andafy tsy tazako

. Ainga tsy tana. ny faha 16.01.23 in Jordanie
Tsiky Andrian
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
271 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Andrian
Nampiditra : TsikyAndrian
Daty : 04/10/2023 20:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135