HO ANAO RAHAVAKO (Kazary2006)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Very ny heritreritraNoho ilay fo mirehitra
Taminao ry zatovo
Satria ianao ilay rojo
Ilay tovovavy tsaroko
Irojonan'ilay foko
Ianao Anay no hery
Nitiako dia ianao irery
Tarehinao toy ny anjely
Noho ilay fanahinao malemy
Vonin-kazo mamiratra
Ianao no firavaka ho ahy
Mahatonga ahy mahiratra
Satria ianao ilay silam-panahy
Aina ka heriko
Tsy olon-kafa fa ianao irery ko(a)
Ilay harena sarobidy
Ianao ilay tena safidy
Amin'ny fiainako rehetra
Ka ny fitiavantsika tsy hifametra
Fa fahatsiarovana aharitra
Ireo fitiavana mahafinaritra
Tsy ho afaka ato am-poko
Ilay fitiavana niaraha-nilofo
Tantara tsy ho adino
Ka ilay fitiavana niarahana no banjino
FK MAHAVITA : 05/10/2025
_______kazary_______
--------
Rohy:
