Ampidiro aloha ny tenimiafina
GASIKARA MITOMANY (TSIRY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
GASIKARA MITOMANYRy Gasikarako malala
Mitaraina mitoloko
Rerakâity fahantrana
Very sata sy voaloto
Politika diso toerana
No nanjary tompon-toerana
Fitiavan-tena tafahoatra
No naroso ity vahoaka
Gasikara mitomany
Ontsa feno ranomaso
No fambara manambara fa
Mafy ! mafy loatra ty an-kaso
O ry raiko ao ambony
Mamela ny helokay
Mba tolory fanafody
Mba vonjeo ny taninay
TSIRY
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
