NY FANDRIAMPAHALEMANA (Voromailala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fandriampahalemana toa atody
Tsy hoe tanjona fa tena fanafody
Hanasitrana ireo fery
Izay nangeja sy nanery.

Ka raha vakiana avy any ivelany,
Lasa tapotsy sy tamenany;
Raha vaky kosa avy ao anaty,
Lasa akohokely mafatifaty.

Ny fitsaharan’ny ady, raha jerena,
Dia toy ny atody novakiana;
Satria ireo resy dia noterena
Hanampim-bava sy hangina.

Andao vakiana avy ao anaty
Ilay tena fifankatiavana;
Hokolokoloina, tsy ho faty,
Hampiray sy hampihavana.

Ka ho rava sy hiejera
ireo akora mampisaraka;
Ka ho laza sy ho dera
Ho an'ireo taranaka


Mila elatra roa matanjaka
Ilay firaisankiana vao
Lahy sy vavy no hatambatra
Mba hampisy ainga vao

Ny fandriampahalemana marina,
Tsy fahanginana sy tahotra,
Fa fo mifankatia, miara-miarina,
Anaty lavaka, tsy mihaotra.

02/10/2026
--------
Rohy:
14 1
Mpakafy: Alokamiventy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0145