Ny foko (Voromailala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niniako nosaromana malaky
Ny fitempon'ny foko tao anaty
Isaky ny miresaka isika tato ho ato
Nefa nisy ihany ireo afaka nanako


Renao ihany izy ireny matetika
Na dia efa niniana nalentika
Satria ny boiboikan'ny ako
Dia tsy mijanona manako

Ka tonga izao ilay fotoana
Tsy hay intsony hoe nahoana
Fa tsy voasaroko intsony
Toy ny lanitra eny ambony

Novelesin'ny fitiavana ny foko
Nidobodoboka ery ka nandoko
Tao antsaiko ilay sarinao
Lohatenin'ny nofiko lava zao
--------
Rohy:
4149 1
Hevitra mandeha
yonikafopl ( 29/05/2004 00:02)
Mahafinaritra be daholo ireo tononkalo nosoratanao.
Tsara fa tohizo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097