Ny hatsaranao ry tiana (Voromailala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miala tsiny aho raha ny soratra
No fonosana hitondrako
Ireto fehezanteny tsy voatohitra
Tsy mijanona manako

Ireo teny izay notsongaina
Nisidina ka voatoraka
No nolalorina tao an-tsaina
Nihary lasa rafi-tsoratra

Mamy ny fary fa misy faikany
Mamy ny akondro fa misy hodiny

Ny hatsaranao kosa ry tiana
Dia ilay mamy tsy misy hariana
Ary mamy tsy andrasana
Satria mamy tsy voasana
--------
Rohy:
6138 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107