Voninkazo tsy manantsahala (Voromailala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo mpanala aloha dia betraka
Tsy mahay mihonona sy mipetraka
Tsy mijanona ela fa miserana
Fitiavana tsy azo ferana

Izaho kosa dia tonga tsy hanala
Na koa hoe nedaha hanadala
Fa hanorina fihavanana mirindra
Tia mifanampy indrindra indrindra


Ny an' ireo olona mpanala
Ny rano izay natsakaina
Dia nampitsiriana ireo malala
Izay nisy teo an-jaridaina

Tsy nolaniany ny fotoana
Tamin'ny fitadiavana voninkazo
Fa ny teo akaiky teo foana
No nataon'ny solon'ny malazo

Ny ahy kosa ny rano natsakaina
Na dia mavesatra aza dia nozakaina
Mandrapahitako ilay voninkazo
Tsy matetika hita tsy matetika azo

Soa re dia mba ianao
Ilay voninkazo tsy manantsahala
Raha izy dia mba lazao
Fa efa miandry Voromailala
--------
Rohy:
5852 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153