Ampidiro aloha ny tenimiafina
Fonja hafa (Yono)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fonjako ilay fonao mitempoManala ireo ahiahy sy ireo sento
Manala ny hatezerako, mahatonga ahy hivetso
Fonjan'ilay foko, fonjam-pifaliana ho ahy
Fonja satria fefy tsy azoko ihoarana
Toerana manitsy toa toeram-pianarana
Mampianatra ahy ny aminao
Ny tsara sy ny kanto
Manome ahy fiainam-baovao
Toa miavaka, toa ranto
Nefa fonja hafa, tsy toy ireo misy
Toa fonjam-piadanana, manala ny indrisy
Toa fonjam-pifaliana, toa tsiky lalandava
Toa fonjam-pitiavana, tsy hisy hahavita handrava
Amiko,
Dia izay ilay fonao
Fitoeran'ny fitiavako
Volamena firavako
Mamiko,
Ireo topi-masonao
Tsy sanatria izany anganoko
Fa tiako loatra ianao.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
yono
