ILAY FITIAKO (ZAFY REARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAKO
Fahiny tefy maika ny hany mba fitiavako.
Dia hoe: no nivaoka izato vavako.
Dia nanofinofy lava. Nifofy horoka irifina.
Dia ianao ilay mitsilany sy mitanisanisa kintana.
E! Fahiny izany! Ilay fitia nampijaly.

Fahiny tefy maika ny hany tato am-poko.
Fitia nanganohano, isan’ora nitoloko.
Tsy hay ilaozan’olon-tiana
Fa saro-piaro vina:
Fahiny izany! Fitia be tomany.
Ranomaso no mba basiny
Namonony izany tsy tantiny.

Ankefitriny, dia mijoro ilay fitia tsy mihambaka.
Fitia vita sedra ato am-po lalim-paka.
Tsy mirona; tsy mihontsina amin’izay mitranga.
Fa ny tokiny ho anao no indro misolanga.
Dai vetesiny; hirainy ny hoe: < tokiko ianao.>.
Fa ilay fitia tefy maika no indro efa niha-vao.
Dia sambatra; e! sambatra; eny lavi-pahorina.
Fa nandaho azy ilay < saro-piaro vina>.

Ankehitriny, tsara tefy ilay fitia nandalo sedra.
Tsy mirona; tsy mivena. Toa tsy taitran-drendrarendra.
Zary fo hampo-toky ; tsy voataizan-drotsirotsy.
Fa fitia zatra ady.Tsy hitoloko intsony; handady.
Sns… Eny e! Indro atolotro anao ilay fitiako vaovao.

ZAFY REARY, Goma RD CONGO 19 janoary 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
1398 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ZAFY REARY
Nampiditra : zonia
Daty : 19/01/2012 09:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127