TE-HO SAMBATRA (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TE HO SAMBATRA.....

Izy, hono, te-ho sambatra !
Inona ary no hataoko hahatanteraka an'izany?
Ny fitiavako tsy miambatra
Mety ho antoky ny tena fahasambarany eto an-tany ?
Nefa indray rah'toa tsy ampy
Ilay fitiavana mahery tsy afenina intsony
Moa tianay ny hiantsampy
Amin'ny andry mafy indrindra dia ny dinako amin'ny fony ?


Inona ary no ataoko
Fa mitady hasambarana ilay aiko any ho any ?
Moa ny hira izay fanaoko
Kaloiko eo anilany eo no hahatanteraka an'izany ?
Sa ny oroka niriko
Efa ela tany ho any no hivimbina an'izay
Ilay tena fifaliako
Dia ny hahasambatra azy amin'ny andro ho avinay ?


« Inty ny Foko, inty ny Aiko,
Samy vonona ny hiady mba ho fahasambaranao
Ry Andriana tian'ny saiko
Ny iriko hitondra ahy ho any an-tany vaovao
Dia ilay tanin'ny fitia
Vonona aho ny hiasa, tsy ekeko ho sorisory
Izay misakana ny dia
Inty ny Foko, inty ny Aiko tsy sandana vola akory!

« Inty ny Saiko, inty ny feoko
Mba haminavina indray sy hihira ho anao
Eny aleoko ka aleoko
Hieritreritra hatrany sy hikasa lava izao
Rah'zany no hisin'
Ny Fahasambaranao doria izay mba fifaliako koa
Izany ihany no rin'
Ity hikatsaka ho anao ny Hasambara-tsy ho lo.


« Ao ny Ariko rehetra
Sy ny andro nokoloiko sy ny mbola vao hiseho
Misambara tsisy fetra
Ny fahaizako, ny tenako, ireo rehetrarehetra ireo
Mbola ampiko ny Fanahy
Sy ny rako, sy ny zoko sy ny tiako sy ny mamiko
Rehefa zava-mety ho ahy
Misambara amin'ireny fa ianao no andrianiko.

Zozoro
--------
Rohy:
1425 2
Mpakafy: Zozoro - benasy
Hevitra mandeha
benasy ( 02/04/2009 09:36)
Zozoro ! mifohaza ianao... aza mbola manofy aloha...Izy koa toa ano, hono, fa hitako izy; dia nanafatra toy izany indrindra...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143