Nampiditra : 100tinl
Daty : 21/06/2013 12:17
Nijery : 1953
Tononkalo: 4 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Andy Rebabe

hitako tam facebook
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/andy-rebabe
Hevitra farany
100tinl ( 21/06/2013 12:18)
ZARAMIRA HOE ?

Etsy an-kodimirana,

toloko lavarenin'ny tsy manana atokona
ka ny lalankaniny mikitrana mivonkona
midinitra sahirana...
mitankizin-dava ny anjaramasoandrony
fisitrihan-dava ny fiainam-bandrony

Satria minia jamba ireo madiolamba
natao hamaha ny olana...
...ka toa misolantsolana
raha mba miteny kely
milaza ny adim-piainany
sy ny fitarainany
ireo farafahantrana.

Kanefa hery inona
sy vintana ohatrinona
no entina mitroatra ?
ny kibo foana fisaka ,
ny tena mifitroakan'
ny angoantenda noana ?

Nono zara hoditra
sy tratra mahakoditra
tsihifinjaza taolana
hitsipaka aina sisa
alin-disadisa...

Etsy ambony, mirana
migoka tsy hay fefena ny zanaky ny mpanana
rotsian'ny fofomanitry ny anjara fiadanana
mamiratra mangirana...

...

samy menavava mitady safosafo,
fa tsy mitovy vava,mitohoka sakafo...
dray !

andy rebabe-20 jona 2013
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147