You are here: home > Vetso

Loko volomborona - Andy Rebabe


Mena volomborona,
fitia tsy lefy hery
matanjaka fijery
sahy misetra sorona…

Mavo volomborona ,
ilay hafaliana miavaka
hazava-mandravaka
tontolo tsara orina…

Manga volomborona
dia faravodilanitra
sy tosaky ny hanitra
madio manara-morona…

Mainty volomborona,
fisaonana sy marika
saranga nifangarika
firaisana nandrorona…

Loko volomborona,
talenta mahaforona
sorakanto maro,
soraty dia…itaro !

Andy Rebabe /22 avrily 2014/3ora 53 mn

Mombamomba

Mpanoratra : Andy Rebabe


Nampiditra : hery
Daty : 03/05/2020
Mpamangy : 413
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Fatim-piaran'ialahy
FA INONA NY SORAKANTO ?
Zaramira hoe ?