You are here: home > Vetso

FA INONA NY SORAKANTO ? - Andy Rebabe


FA INONA NY SORAKANTO ?

Ny Soratra akory,
Tsy hoe kitambatambatry ny teny hafahafa
tsy takatra takarina,
na torapo sendaotra mampijafajafa
ny ratra nofongarina.
Ny Soratra tsy teny alefalefa fotsiny
tsy misy iantefany
ka toy ny hazo boboka vao ahontsonkontsona
dia rara-boa malàny !

Ny Soratra ?
Fa fanahy zaraina mandona ny Fisiana
hanako an'eritreritra,
fa ody mahagaga, fanafana iangaliana
ny mampievinevina,
fa Teny tsara sokitra, voatevika ao am-po
ho rakitra tadidy,
Izay no Sorakanto, tsy manam-paharoa
satria fanalahidy !

Andy Rebabe

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

ILIMIMJIVISDI (04/02/2016 07:36:05)

Tonga d ao tsara 'zany! Siora mints .....

Mombamomba

Mpanoratra : Andy Rebabe


Nampiditra : 100tinl
Daty : 04/02/2016
Mpamangy : 854
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Loko volomborona
Fatim-piaran'ialahy
Zaramira hoe ?