Hampiditra sary Nampiditra : fiderana
Daty : 20/09/2006 14:19
Nijery : 1606
Tononkalo: 3 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

fiderana

Mbola hoavy ny Maraina

Na rivotra mifofo,
Na orana hijojo,
Tsy hatao ampitaraina
Mbola hoavy ilay maraina

Na ny kotrokotro baratra
Na ny tselatra ao an-karatra
Tsy hatao ampitaraina
Mbola hoavy ilay maraina

Ny tsy fisina lava izao
Ny fahorina makanlao
Tsy hatao ampitaraina
Mbola hoavy ilay maraina

Fa fitiavana no indro
Handresena ireny dindo
Ary izany no antenaina
Ny fahatongavan'ny maraina
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/fiderana
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany
fiderana ( 15/11/2006 11:22)
ok, mahatoky foana isika ka!, dia misaotra ê!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215