Mbola ho avy ilay maraina... (fiderana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na rivotra mifofo,
Na orana hijojo,
Tsy hatao ampitaraina
Mbola ho avy ilay maraina

Na ny kotrokotro baratra
Na ny tselatra ao an-karatra
Tsy hatao ampitaraina
Mbola hoavy ilay maraina

Ny tsy fisina lava izao
Ny fahorina makanlao
Tsy hatao ampitaraina
Mbola hoavy ilay maraina

Fa fitiavana no indro
Handresena ireny dindo
Ary izany no antenaina
Ny fahatongavan'ny maraina
--------
Rohy:
1599 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fiderana
Nampiditra : fiderana
Daty : 17/10/2006 09:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.034