Tia....... (fiderana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azo hatao dia azo hatao,
Ny mitia am-pilaminana,
Azonao?....azo hatao,
Ny misarika ahy tsy hivilavilana,
Tsy korontanina aho anefa....,
Tsy kotabaina koa satria....,
Ny foko tia efa tia, ho anao ho doria.

Azo hatao dia azo hatao,
Ny mandray izay hatolotro,
Azonao?....azo hatao,
Ireny tsy an-tendro molotro,
Tena vokatry ny foko....
Voady masina trotroiko....
Voatokako anao, indro raiso, tiako ianao.

Azo hatao dia azo hatao,
Ny mitia an-kamorana,
Azonao?....azo hatao,
Ny mitia ka tena tia, tsy misy fahotana,
Tsy fitia mamilafila....
Tsy fitia mandrirarira....
Tia aho, tiako ianao no tiako hambara.
--------
Rohy:
1354 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fiderana
Nampiditra : fiderana
Daty : 23/01/2007 05:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166