Fitiavana ... matotra! (fiderana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena tsitanty,sy mahavaky fo
Raha hilaozanao, lavitra rê!
Tena tsitanty, marary ny loha
Indrindra ny hoe fotoana ela be,

Tena tsitanty, fa hifonako lala
Ny hilaozanao, makarary ny saiko
Ilay Ray ao ambony mahalala tsara
Ny lavitra anao maharary ny aiko.

Tena tsy vita, mifona aho ry tiako
Avy manakaiky,eto anilako ianao,
Avy,.. jereo fa ilay fo be toloko
Fa sasa-miandry,tsy mahafoy anao.

Tena tsitanty,na hiara- mahalala,
Fiainana an-tany tsy vitam-pitia
Fa na izany aza, avy ry malala,
Avy manantona ,f'ilay voady dia ho doria.

Avy, re ry tiako,f'ilay alitara,
No vavolombelon'ilay voady iray,
Tsy hisaraka isika,f'izay no anjara
fitia mafy orina,ary mandrankizay.
--------
Rohy:
2295 1
Mpakafy: lafe
Hevitra mandeha
frereEddy ( 25/10/2006 12:51)
tena tsara fa tohizo
fiderana ( 25/10/2006 12:54)
misaotra ê!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fiderana
Nampiditra : fiderana
Daty : 17/10/2006 08:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195