Hampiditra sary Nampiditra : petakoel
Daty : 13/01/2009 14:45
Nijery : 1207
Tononkalo: 6 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

fitiariela

lohateny: Fitiavana mandringa

fotoana fohy ihany no nahitako anao
fohy nefa kosa namela fahatsiarovana
fotoana namelona fitiavam-baovao
fa nahafaty kosa fitia nampivarahotsana

tsy mba afaka hilaza mivantana aminao
ny ato am-poko rehetra sy ny fitiavako aho
ka izany no antony andraisako ny peniko
hanoratako ny faniriako mba ho raketiko

tia anao mantsy aho, tena babo tokoa
ka misoka ato anaty sy mitempo ao am-po
lay fitiavako anao zay toy ny maraina
ka saro-bonoina sy kosehina ao an-tsaina

mbola banga ihany anefa zany fitiavana izany
raha tsy ny fotsika roa no mikambana mba ho iray ihany
ka na dia mbola tsy fantatro aza izay ao am-ponao ankehitriny
dia mino aho fa tsy maintsy mbola ho tafaray ihany any aoriana

ka raha ho avy ny andro ahatanterahan'izany
ho toa inona ny hafaliako raha hoy ianao manontany
"tia ahy ve ianao, tena tia, tia marina
ka mendrika ho ahy mba ho ampakarina?"

dia ho valiako amin'ny endrika feno tsiky
fa tena tia anao aho ary ny fitaka dia tsy misy
tsy misy maharombaka raha toa ka misy maka
satria tsy am-bava fotsiny fa tena latsa-paka

nefa moa izany mbola nofinofy ihany
ka ny saiko mandinika ary ny foko manontany
moa ve ianao any mba mahatsiaro ahy
ka ny fonao ontsa, misento, manahy

sa kosa ve tsy misaina ahy akory
fa tovovavy hafa no mampiari-tory
sa kosa tena tsy tia ahy mihintsy
ka ny fitiavana ahy toa foana sy tsy misy

nefa na izany aza, manantena foana aho
fa mbola ho avy lay fotoana hitantanako anao
ka amin'izay dia ho feno ny hafaliako
satria tsy aiza intsony fa eo anilan'ilay olon-tiako
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/fitiariela
Hevitra farany
dahuily ( 27/02/2009 19:18)
tena tsara ;sy mahafinaritra ny mamaky azy,sy......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014