herintaona izay (fitiariela)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Herintaona izay

Herintaona izay no lasa
Herintaona no nikasa
Herintaona nivoadiana
Herintaona izay 'lay dina

Herintaonan'ny fitia
Herintaona nankahia
Herintaona nampifaly
Herintaona nankarary

Fa nahoana re izany?

Fanenjehana, resa-be
Hatrany Hatrany 'zay no re
Eso koa fanaratsiana
Nahatonga fanahiana

Memy afo mivaivay
No indro nitsapana anay
O!Tadio mafy loatra
Kanefa Ray o! misaotra

Fa 'lay fitiavanay tsy foana
Tsy nety lo mialin-taona
Vao maika aza nihanahery
Nihamamy toa tantely

Na inona na inona mbola iaretana
'Zay tonga eo tsy hiforetana
Na inona na inona mbola ho zakaina
Tsy atahorantsika,tsy asiantsika taraina

Rahavako, rahavako, rahavako
Ry ... malala!Ry tompon'ny fitiavako
Tena tiako ankafiziko ny ho anilanao
Matokia, aza manahy fa izaho efa anao

O ry tiako, ry malalako ahy irery
Indro averiko aminao indray 'reo teny
Dia 'reo teny manan-danja, ireo fanomezan-toky
Fa ho anao aho na ho noana na ho voky
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1117 0
Hevitra mandeha
petakoel ( 12/05/2009 12:55)
"Ry ...malala! Ry tompon'ny fitiavako"
secret le teboka telo fa "ze ataon-jy eo"
dahuily ( 19/05/2009 19:25)
Tena tsara fa tohizo an'ilay tohiny tsara ohatran'ny @ film reny am zay
petakoel ( 09/06/2009 07:08)
ts nety ho tsara mits le tohiny akia fa zay mits angamba le anjara.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fitiariela
Nampiditra : petakoel
Daty : 12/05/2009 12:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189