Nampiditra : ra_hery
Daty : 30/06/2010 15:42
Nijery : 2295
Tononkalo: 3 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Mampionona

Iza moa i Mampionona?
RAKOTOARISOA Andriamiadana Herimampionona no anarana feno izay tsy ahitana anarana vazana fa gasy avokoa.Hisaorako noho izany ilay Andriamanitra lehibe nanome saina an'ireo Ray aman-dreniko ka nahatonga io anarana io.Misy dikany lehibe izany hoy lay reniko izay,izany hoe:"ho andry nyn fiainana sy hampiadana anie hono aho,ary ho hery fampiononana ho azy",ka entiko izany mba anehoako fa misy ilaina ahy eto amin'ity tany sy firenena ity.Mampionona io no fiantsoana ahy amin'ny sehatra ny Fikabariana sy ny fanoratana,ilay anarana fiantso amin'ny farany anarako izany no nalaina ho entiko anehoana ny talenta nomen-janahary.
Fony mbola 13 taona monja i mampionona no efa nanoratra tononkalo,toy ny tononkalom-pitiavana, tononkalo mitantara ny vesatry ny fiainana sy ireo maro hafa....ny fahazazany izany no efa nahafantatra zavatra maro izy tamin'izany satria nandalo ny fiainana sarotra izy tamin'izany.Niezaka, niady ary koa nitroatra teo amin'ny fiainana hatramin'izao.Niezaka nanangona ireo tantaram-piainana tamin'ny alalan'ny tononkalo izany izy ka nanoratra ireo izay voasoratra midika izany fa zava nisy sy niainany no betsaka amin'ny tononkalony;mitantara ihany koa ny fizotra ny fiainana andavan'andro.Tamin'izany fotoana izany i Mampionona no efa niaina tao anatin'ny TENY sy ny SORATRA, nefa maro ireo teny izay mbola tsy voafehiny noho ny TENY izay miaina,"ny teny mantsy velona ka miaina" mety maro ireo vaovao ary misy koa ireo teny izay adino na efa nolazaina fa tsy fampiasa firy intsony.
Kilasy famaranana no nahatonga saina ahy satria tamin'io no tena nahalalako ireo karazana mpanoratra maro samihafa tao ihany koa no nahalalako ireo tantara an'i Madagasikara maro.Ka hoy ny feon'ny fieritreretaka hoe:"Tiako ny taniko, tiako ny teniko ary tiako ny tanindrazako".sy nahatsapako tanteraka fa tsy maintsy miaina ao anatin'ny fiarahamonina aho.
Ny taona 2007 teo no nianarako ny kabary teo anivon'ny FI.MPI.MA. izay naneho ny fitiavana ny teny sy ny tany ka nahasintona ahy tamin'izany.Tsy nifarana hatreo anefa izany fa mbola notohizana ihany ny taona 2008 izay nanao ny fandalinana lalina ny kabary sy ny teny malagasy,namoaka ny voka-pikarohana tamin'izany mitondra ny loha-hevitra hoe:"Ny fomba famoronana Ohabolana amin'ny vanin'andro Ankehitriny".Tao anatin'izay dia maro ireo boky novakiana sy nolalinina bebe kokoa mikasika ny kabary sy ny teny malagasy ary ireo tantaram-pirenena,maro ihany koa ireo boky akotran'ireo.Ny taona 2009, nantsoina ho anisan'ireo biraom-paritany FI.MPI.MA Antananarivo ny tenako hatramin'ny hisian'ny zaikabe faharoa izay hifidianana ireo filoham-paritany vaovao.
Maro ireo tononkalo sy tantara efa nosoratako nefa mbola tsy natonta ho boky maro izy ireo noho ny fahasarotan'ny fiainana fa tsy maintsy ho hitan'ny olona tsirairay izany amin'ny fotoana izay maha mety izany.
Mampionona io no solona anarana entiko anehoiko ny talenta.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/mampionona
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144